FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 “Ho tanteraka aminao ireo ozona rehetra ireo,+ ary hanenjika anao ka hahatratra anao mandra-pahalany ringana anao.+ Tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao mantsy ianao ka tsy nankatò ny didiny sy ny lalàny nandidiany anao.+

  • Deoteronomia 28:63
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 63 “Faly erỳ i Jehovah taloha rehefa nataony nandeha tsara ny fiainanareo sady nataony lasa be dia be ianareo. Dia hoatr’izany koa fa ho faly i Jehovah handringana anareo sy handripaka anareo. Fa hesorina hiala eo amin’ilay tany efa halainareo ho anareo ianareo.

  • 1 Mpanjaka 14:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary hafoiny ny Israely noho ny fahotana nataon’i Jeroboama sy ny fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaoman’i Jeroboama.”+

  • Hosea 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ary hoy i Jehovah taminy: “Ataovy hoe Jezirela* ny anarany, fa kely sisa dia hofaiziko ny taranak’i Jeho+ satria namono olona* be dia be tao Jezirela. Ary hataoko tsy hisy mpanjaka intsony avy amin’ny taranak’Israely.+

  • Amosa 5:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary hataoko sesitany lavitra be an’i Damaskosy ianareo’,+ hoy ilay manana anarana hoe Jehovah Andriamanitry ny tafika.”+

  • Mika 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Hataoko lasa korontam-bato mivangongo eny an-tsaha i Samaria,

      Ary ho lasa tany fambolena voaloboka.

      Dia hatsipiko* eny an-dohasaha ny vatony,

      Ary hataoko miharihary ny fototra iorenany.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara