-
2 Tantara 10:1-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Nankany Sekema+ i Rehoboama, satria tonga tany ny Israely rehetra mba hanao azy ho mpanjaka.+ 2 Raha vao henon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata izany, dia niverina avy tany Ejipta izy—mbola tany Ejipta izy tamin’izay satria nandositra an’i Solomona Mpanjaka.+— 3 Nampiantso azy àry ny olona. Ary nankany amin’i Rehoboama i Jeroboama sy ny Israely rehetra, ka niteny hoe: 4 “Nampitondra zioga mavesatra+ anay ny rainao. Hanompo anao anefa izahay, raha hamaivaninao ny fanompoana mafy nampanaovin-drainao sy ny zioga mavesatra* nampitondrainy anay.”
-