-
1 Mpanjaka 12:1-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nankany Sekema+ i Rehoboama, satria tonga tany ny Israely rehetra mba hanao azy ho mpanjaka.+ 2 Ary henon’i Jeroboama zanak’i Nebata izany—mbola tany Ejipta izy tamin’izay satria nandositra an’i Solomona Mpanjaka ka nipetraka tany.+— 3 Dia nampiantso azy ny olona. Nankany amin’i Rehoboama i Jeroboama sy ny fiangonan’Israely manontolo avy eo, ka niteny hoe: 4 “Nampitondra zioga mavesatra anay ny rainao.+ Hanompo anao anefa izahay, raha hamaivaninao ny fanompoana mafy nampanaovin-drainao sy ny zioga mavesatra* nampitondrainy anay.”
-