FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 12:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 dia namakivaky an’ilay tany i Abrama, ka tonga hatrany amin’ilay toerana atao hoe Sekema,+ teny akaikin’ireo hazobe tao More.+ Ny Kananita no nipetraka tao amin’ilay tany, tamin’izany fotoana izany.

  • Josoa 20:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Nohamasinin’izy ireo* àry i Kedesy+ any Galilia any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Naftaly, sy Sekema+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, ary Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda.

  • Josoa 20:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ireo tanàna ireo no nofidina ho an’ny Israelita rehetra sy ho an’ny vahiny nonina teo amin’izy ireo, mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy.+ Amin’izay izy dia tsy ho faty novonoin’ny mpamaly ra, alohan’ny hitsarana azy eo anatrehan’ny vahoaka.+

  • Mpitsara 9:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Tatỳ aoriana, dia nankany amin’ireo anadahin-dreniny tany Sekema i Abimeleka+ zanak’i Jerobala. Dia hoy izy tamin’izy ireo sy tamin’izay rehetra anisan’ny fianakavian’ny dadabeny:* 2 “Mba anontanio, azafady, ny mpitarika* rehetra eto Sekema hoe: ‘Iza no tianareo kokoa ho mpitondra anareo: Izy 70 lahy zanak’i Jerobala+ sa lehilahy iray? Tadidio fa iray ra aminareo aho.’”*

  • Asan’ny Apostoly 7:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nidina nankany Ejipta àry i Jakoba,+ dia tany izy no maty,+ ary tany koa no maty ny razambentsika.+ 16 Dia nentina tany Sekema izy ireo, ary nalevina tao amin’ilay fasana novidin’i Abrahama sekely volafotsy tamin’ny zanakalahin’i Hamora, tany Sekema.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara