-
2 Mpanjaka 17:21-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Efa nendahany niala tamin’ny taranak’i Davida ny Israely, ka nataon’izy ireo mpanjaka i Jeroboama zanak’i Nebata.+ Nampiala ny Israely tsy hanaraka an’i Jehovah anefa i Jeroboama, ka nahatonga azy ireo hanao fahotana lehibe. 22 Ary tsy nitsahatra nanao an’ireo fahotana rehetra nataon’i Jeroboama ny vahoakan’Israely.+ Tsy niala tamin’izany izy ireo, 23 mandra-panaisotr’i Jehovah ny Israely tsy ho eo imasony, araka ny nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony+ rehetra. Koa nesorina tamin’ny taniny ny Israely ka natao sesitany tany Asyria.+ Ary mbola any izy ireo hatramin’izao.
-