-
1 Mpanjaka 20:35, 36Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Nisy lehilahy iray anisan’ny zanaky ny mpaminany*+ nasain’i Jehovah niteny tamin’ny namany hoe: “Asio aho, azafady!” Tsy nety namely azy anefa ilay namany. 36 Hoy àry izy taminy: “Satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah ianao, dia hisy liona hamono* anao raha vao miala eto amiko ianao.” Nifanena tamin’ny liona tokoa ilay namany rehefa niala teo, ka novonoin’ilay liona.
-