1 Mpanjaka 11:36 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 36 Fa homeko foko iray ny zanany, mba hisy jiro* ho an’i Davida mpanompoko foana eo anatrehako, any Jerosalema,+ ilay tanàna nofidiko ho ahy mba hametrahana ny anarako. 2 Tantara 21:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Tsy tian’i Jehovah haringana anefa ny taranak’i Davida, noho ilay fifanekena nataony tamin’i Davida.+ Efa nampanantena mantsy izy hoe hanome jiro ho azy sy ny taranany foana.*+ Salamo 132:13 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 13 Fa efa nifidy an’i Ziona i Jehovah;+Te hipetraka ao izy,+ ka niteny hoe: Salamo 132:17 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 17 Ao no hataoko mihamitombo ny herin’i* Davida. Efa nanomana jiro ho an’ilay voahosotro aho.+
36 Fa homeko foko iray ny zanany, mba hisy jiro* ho an’i Davida mpanompoko foana eo anatrehako, any Jerosalema,+ ilay tanàna nofidiko ho ahy mba hametrahana ny anarako.
7 Tsy tian’i Jehovah haringana anefa ny taranak’i Davida, noho ilay fifanekena nataony tamin’i Davida.+ Efa nampanantena mantsy izy hoe hanome jiro ho azy sy ny taranany foana.*+