-
2 Tantara 16:11-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ary efa voasoratra ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Joda sy Israely ny tantaran’i Asa, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.+
12 Nisy narary teo amin’ny tongotr’i Asa tamin’ny taona faha-39 nanjakany, ka lasa narary mafy izy. Na izany aza, dia tsy mba nitady an’i Jehovah izy, fa nitady mpanasitrana. 13 Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Asa.+ Maty izy tamin’ny taona faha-41 nanjakany. 14 Koa nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida izy,+ tao amin’ilay fasana lehibe efa nolavahany, ka natao teo ambony filanjana faty nofenoina menaka balsama sy menaka manitra natao tamin’ny zava-manitra isan-karazany.+ Ary nandrehitra afo be izy ireo rehefa nandevina azy.*
-