-
1 Mpanjaka 14:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ianao kosa nanao zavatra ratsy lavitra noho izay rehetra talohanao. Nanamboatra andriamani-kafa sy sarivongana metaly* ho anao ianao mba hampahatezitra ahy.+ Izaho mihitsy no nomenao lamosina.+ 10 Noho izany, dia hahatonga loza amin’ny ankohonan’i Jeroboama aho. Hofongorako* ny lehilahy rehetra* amin’ny ankohonany, anisan’izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin’ny Israely. Ary hofafako tanteraka hoatran’ny famafa taim-biby ny ankohonan’i Jeroboama,+ mandra-paha-tsy hisy tavela azy ireo intsony!
-