-
Daniela 5:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Nanandra-tena hanohitra ny Tompon’ny lanitra kosa ianao,+ ary nasainao nentina teto anatrehanao ireo kaopy tao an-tranony.+ Dia nisotro divay tamin’ireny ianao sy ny olona ambony, ary ny vadikelinao sy ny vadinao hafa, sady nidera an’ireo andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato. Tsy mahita na maheno na mahalala na inona na inona anefa ireny.+ Tsy mba nomenao voninahitra kosa ilay Andriamanitra tompon’ny ainao+ sy manana fahefana amin’izay rehetra ataonao.
-
-
Habakoka 2:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Inona no soa entin’ny sary sokitra,
Nefa ilay namorona azy ihany no nanao sokitra azy?
Ary inona no soa entin’ny sarivongana metaly* sy ny mpampianatra lainga,
Na dia matoky an’ilay sarivongana aza ilay namorona azy,
Ary nanao andriamanitra tsy misy dikany sady moana?+
19 Hahita loza ilay miteny amin’ny hazo hoe: “Mifohaza!”,
Ary amin’ny vato moana hoe: “Mifohaza! Ampianaro izahay!”
-