-
Romanina 11:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tsy hoe nialan’Andriamanitra ny vahoakany, izay nofidiny voalohany.+ Angaha tsy fantatrareo izay nolazain’ny Soratra Masina momba an’i Elia, tamin’izy nitaraina tamin’Andriamanitra momba ny Israelita? 3 Hoy izy: “Jehovah* ô, novonoin’izy ireo ho faty ny mpaminaninao, narodany ny alitaranao, dia izaho irery sisa, nefa mbola mitady hamono ahy* koa ry zareo izao.”+
-