-
2 Tantara 18:33, 34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Nisy lehilahy nandefalefa* zana-tsipìka amin’izao fotsiny anefa, ka voa teo amin’ny elanelan’ilay akanjo mifono vy ny mpanjakan’ny Israely. Hoy àry ny mpanjaka tamin’ny mpitondra kalesiny: “Andao hiverina, dia ento miala eto amin’ity toeram-piadiana* ity aho fa maratra be.”+ 34 Tena nafotaka ny ady tamin’iny andro iny. Ary voatery notohanana tao amin’ny kalesiny ny mpanjakan’ny Israely, mba ho afaka hitsangana hiatrika ny Syrianina mandra-paharivan’ny andro. Dia maty izy rehefa nilentika ny masoandro.+
-