-
1 Mpanjaka 22:34, 35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Nisy lehilahy nandefalefa* zana-tsipìka amin’izao fotsiny anefa, ka voa teo amin’ny elanelan’ilay akanjo mifono vy ny mpanjakan’ny Israely. Hoy àry ny mpanjaka tamin’ny mpitondra kalesiny: “Andao hiverina, dia ento miala eto amin’ity toeram-piadiana* ity aho fa maratra be.”+ 35 Tena nafotaka ny ady tamin’iny andro iny. Ary voatery notohanana tao amin’ny kalesiny ny mpanjaka, mba ho afaka hitsangana hiatrika ny Syrianina. Nandriaka tao anatin’ilay kalesy fitondra miady ny ra tamin’ny ratrany. Dia maty izy rehefa harivariva ny andro.+
-