-
1 Mpanjaka 21:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Mitsangàna ka midìna hihaona amin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely, izay ao Samaria.+ Any amin’ny tanimboalobok’i Nabota izy izao. Nandeha nankany izy mba haka an’ilay izy. 19 Teneno izy hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Sady namono olona+ ve ianao no naka ny fananany?”’+ Lazao aminy koa hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Eo amin’izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilelafan’ny alika ny ranao.”’”+
-