FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Koa ho voatery hihinana ny nofon’ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy ianareo.+

  • Deoteronomia 28:53-57
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 53 Dia hohaninao ny zanaka nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Hohaninao tokoa ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,+ satria ho mafy be ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ianao.

      54 “Na ny lehilahy miaingitraingitra sy sarotsarotiny indrindra eo aminao aza tsy hiantra ny rahalahiny sy ny vady malalany ary ny zanany sisa miangana. 55 Tsy hisy hozarainy amin’izy ireo ny nofon-janany izay hohaniny, satria tsy manana na inona na inona intsony izy. Ho mafy be mantsy ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.+ 56 Ary ny vehivavy miaingitraingitra sy sarotsarotiny eo aminao, izay tsy te hanitsaka ny tany amin’ny faladiany akory fa miaingitraingitra be,+ dia tsy hiantra ny vady malalany na ny zanany lahy na ny zanany vavy, 57 satria tsy tiany homena azy ireo ny tavòny mivoaka avy eo anelakela-peny sy ny zaza naterany. Hohaniny mangingina mantsy ny zaza naterany sy ny tavòniny, satria ho mafy be ilay fahirano, sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.

  • Ezekiela 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “‘“Dia hihinana ny zanany ny ray eo aminao,+ ary ny zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra didim-pitsarana aminao aho, dia haparitako any amin’ny vazan-tany efatra* ny olona sisa rehetra eo aminao.”’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara