-
2 Mpanjaka 7:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Dia hoy i Elisa: “Henoy ny tenin’i Jehovah. Izao no lazain’i Jehovah: ‘Rahampitso tokotokony ho hoatr’izao, dia ho iray sekely* ny vidin’ny lafarinina tsara toto eran’ny sehà,* ary ho iray sekely koa ny vidin’ny vary orza indroan’ny sehà, eo am-bavahadin’i* Samaria.’”+ 2 Dia niteny tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra ny manamboninahitra lefitra natokisan’ny mpanjaka hoe: “Izany* ve dia ho tanteraka, na dia hosokafan’i Jehovah aza ny vavahadin-drano eny amin’ny lanitra?”+ Hoy àry i Elisa: “Ho hitan’ny masonao izany,+ nefa tsy hihinana amin’izany ianao.”+
-