-
2 Mpanjaka 11:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Tamin’ny taona fahafito, dia nampanantsoin’i Joiada ny lehiben’ny zato nifehy an’ireo Karianina mpiambina ny mpanjaka sy ireo mpiambina ny lapa.*+ Nasainy nankao aminy tao an-tranon’i Jehovah izy ireo. Nanao fifanekena tamin’izy ireo izy, ary nasainy nianiana tao an-tranon’i Jehovah izy ireo hoe hanaja an’ilay izy. Nasehony azy ireo avy eo ilay zanaky ny mpanjaka.+
-
-
2 Mpanjaka 11:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Nanome baiko an’ireo lehiben’ny zato+ voatendry hitari-tafika anefa i Joiada mpisorona hoe: “Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy. Ary raha misy manaraka azy, dia vonoy amin’ny sabatra!” Efa nilaza mantsy ilay mpisorona hoe: “Aza vonoina ao an-tranon’i Jehovah izy.”
-