-
2 Mpanjaka 22:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Miakara any amin’i Hilkia+ mpisoronabe, ary asaivo angoniny daholo ny vola nentin’ny olona tao an-tranon’i Jehovah,+ izany hoe ny vola+ voangon’ny mpiandry varavarana. 5 Dia asaivo omeny an’ireo voatendry hiandraikitra ny asa ao an-tranon’i Jehovah ilay vola. Ireo indray no hanome izany an’ireo mpiasa ao an-tranon’i Jehovah, izay hanamboatra ny simba* amin’ilay trano,+ 6 dia ny mpanao asa tanana sy ny mpanao trano ary ny mpandatsa-biriky. Io vola io no hividianan-dry zareo hazo sy vato voapaika hanamboarana an’ilay trano.+
-
-
2 Tantara 24:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Avy eo ilay vola dia nomen’ny mpanjaka sy Joiada an’ireo mpanara-maso ny asa fanompoana tao an-tranon’i Jehovah. Ireo indray avy eo no nanakarama mpipai-bato sy mpanao asa tanana mba hanavao ny tranon’i Jehovah.+ Nanakarama mpanao asa vy sy varahina koa ireo, mba hanamboatra ny simba tamin’ny tranon’i Jehovah.
-