-
Genesisy 13:14-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Hoy i Jehovah tamin’i Abrama, rehefa nisaraka izy sy Lota: “Azafady ange e! Jereo avy eo amin’ny toerana misy anao eo ny manodidina, dia mijere mianavaratra sy mianatsimo sy miantsinanana ary miankandrefana. 15 Fa homeko ho fanananao sy ny taranakao mandrakizay ireo tany rehetra tazanao ireo.+ 16 Ary hataoko be dia be tahaka ny vovoka amin’ny tany ny taranakao. Raha misy mahavita manisa ny vovoka amin’ny tany, dia ho voaisa koa ny taranakao.+
-