-
2 Mpanjaka 16:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia nalain’i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena tao an-tranon’i Jehovah sy tao amin’ireo fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ny* mpanjaka, ka nalefany tany amin’ny mpanjakan’i Asyria mba hatao kolikoly.+ 9 Nanaiky ny fangatahany ny mpanjakan’i Asyria, ka niakatra hamely an’i Damaskosy ary naka azy io. Nataony sesitany tany Kira+ ny vahoaka tao, ary novonoiny ho faty i Rezina.+
-
-
2 Mpanjaka 17:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Dia nitondra olona avy any Babylona, Kota, Ava, Hamata, ary Sefarvaima+ ny mpanjakan’i Asyria, ary napetrany hisolo ny Israelita tao amin’ireo tanànan’i Samaria ireo olona ireo. Dia lasan’izy ireo i Samaria, ka nipetraka tao amin’ireo tanàna tao izy ireo.
-