-
2 Mpanjaka 24:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Babylona i Joiakina mpanjakan’ny Joda,+ niaraka tamin’ny reniny, ny mpanompony, ny andrianany, ary ny tandapany.+ Dia nalain’ny mpanjakan’i Babylona ho babo i Joiakina, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.+ 13 Dia navoakan’i Nebokadnezara daholo ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka.+ Nopotipotehiny ny fitaovana volamena rehetra nataon’i Solomona mpanjakan’ny Israely tao amin’ny tempolin’i Jehovah.+ Izay efa nolazain’i Jehovah mihitsy no nitranga.
-
-
2 Tantara 36:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ary nentin’i Nebokadnezara tany Babylona ny fitaovana sasany tao an-tranon’i Jehovah, ka nataony tao an-dapany tany Babylona.+
-
-
2 Tantara 36:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Nentiny tany Babylona daholo ny fitaovana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, na lehibe na kely, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ny andrianany.+
-
-
Jeremia 27:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 eny, izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba an’ireo fitaovana sisa tavela ao an-tranon’i Jehovah sy ao an-tranon’ny* mpanjakan’ny Joda ary eto Jerosalema: 22 ‘“Hoentina any Babylona ireny+ ary hajanona any mandra-pahatongan’ny andro hahatsiarovako azy”, hoy i Jehovah. “Dia hoentiko miverina avy any ireny, ka haveriko eto amin’ity toerana ity.”’”+
-
-
Daniela 1:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tatỳ aoriana, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana sasany tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra. Dia nentin’i Nebokadnezara tao an-tranon’ny* andriamaniny, tany Sinara,*+ ireny ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+
-