FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 34:22-28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Nankany amin’i Holda mpaminanivavy+ àry i Hilkia sy ny olona nirahin’ny mpanjaka. Vadin’i Saloma zanak’i Tikva zanak’i Harasa i Holda, ary mpikarakara ny fitoeran’akanjo i Saloma. Nipetraka tao amin’ny tanàna vaovao tao Jerosalema i Holda, ka tao izy ireo no niresaka taminy.+ 23 Dia hoy i Holda: “Izao no tenin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Lazao amin’ilay lehilahy naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: 24 “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Hahatonga loza amin’ity toerana ity sy ny mponina eo aminy aho,+ ka ho tanteraka ny ozona rehetra ao amin’ilay boky+ novakiny teo anatrehan’ny mpanjakan’ny Joda. 25 Fa niala tamiko+ izy ireo ka nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an’andriamani-kafa, mba hampahatezitra ahy+ amin’izay rehetra nataony. Hanampatra ny hatezerako eto amin’ity toerana ity àry aho, ka ho toy ny afo tsy mety vonoina ny hatezerako.’”+ 26 Izao kosa lazaina amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hanontany an’i Jehovah: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba an’izay henonao:+ 27 Mora nandray anatra* ny fonao ka nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra ianao, rehefa nandre ny teniny momba an’ity toerana ity sy ny mponina eo aminy. Dia nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandrovitra ny akanjonao ary nitomany teo anatrehako. Noho izany, dia nihaino anao koa aho,+ hoy i Jehovah. 28 Koa hangoniko any amin’ny razambenao* ianao, ary halevina any amin’ny fasanao amin’ny fotoana mampilamina ny tany, ka tsy ho hitan’ny masonao ny loza rehetra hamelezako an’ity toerana ity sy ny mponina eo aminy.’”’”+

      Dia nolazain’izy ireo tamin’ny mpanjaka izany valin-teny izany.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara