FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 21:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Lasa mpanjaka i Manase+ tamin’izy 12 taona, ary nanjaka 55 taona tao Jerosalema+ izy. Hefziba no anaran-dreniny.

  • 2 Mpanjaka 21:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Naoriny indray ireo toerana avo efa noravan’i+ Hezekia rainy. Nanangana alitara ho an’i Bala sy nanao tsato-kazo masina*+ koa izy, hoatran’ny nataon’i Ahaba mpanjakan’ny Israely.+ Dia niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy, ka nanompo an’ireny.+

  • Jeremia 8:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah, “dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ireo mpanjakan’ny Joda sy ireo andrianany sy ireo mpisorony sy ireo mpaminaniny, ary ny taolan’ny mponin’i Jerosalema. 2 Dia halaina ireny ka haparitaka eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary izay rehetra eny amin’ny lanitra, izay samy tian’izy ireo sy notompoiny sy nivavahany sy nakany hevitra ary niankohofany.+ Tsy hangonina na halevina ireny taolana ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara