-
Deoteronomia 4:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ary rehefa mitraka mijery ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, izany hoe izay rehetra eny amin’ny lanitra, dia tandremo sao miankohoka eo anatrehan’ireny sy manompo azy+ satria hoe manintona anao ireny. Nomen’i Jehovah Andriamanitrao ho an’ny firenena rehetra eny ambanin’ny lanitra manontolo mantsy ireny.
-
-
Jeremia 19:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Dia hanjary haloto hoatran’ny eto Tofeta+ ireo trano ao Jerosalema sy ny tranon’ireo mpanjakan’ny Joda. Haloto izay trano rehetra nanolorana fanatitra teny an-tampony, izany hoe nanaovana sorona ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ sady nandrarahana fanatitra zava-pisotro ho an’ny andriamani-kafa.’”+
-
-
Ezekiela 8:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia nentiny tao amin’ny tokotany anatiny misy ny tranon’i Jehovah aho.+ Nisy lehilahy 25 teo ho eo tao, teo amin’ny fidirana mankao amin’ny tempolin’i Jehovah, teo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara. Niamboho ny tempolin’i Jehovah izy ireo, ka nitodika niantsinanana. Nivavaka tamin’ny masoandro izy ireo ka niankohoka niantsinanana.+
-
-
Zefania 1:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Hanatsotra ny tanako aho mba hamely an’i Joda
Sy ny mponina rehetra ao Jerosalema.
Hofoanako tsy hisy ao intsony izay sisa* tavela amin’i Bala,+
Sy ny anaran’ny mpisoron’ny andriamani-kafa, ary ny anaran’ny mpisorona hafa.+
5 Haringako koa izay mankeny an-tampon-trano mba hiankohoka amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra.+
Haringako izay miankohoka ka mianiana fa tsy hivadika amin’i Jehovah,+
Nefa koa mianiana hoe tsy hivadika amin’i Malkama,+
-