FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 16:30, 31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mihoatra noho izay rehetra talohany,+ i Ahaba zanak’i Omry. 31 Hoatran’ny hoe tsy ampy azy ny nanao ny fahotana nataon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, fa mbola nanambady an’i Jezebela+ zanakavavin’i Etibala mpanjakan’ny Sidonianina+ koa izy. Ary lasa nanompo an’i Bala+ izy ka niankohoka teo anatrehany.

  • 1 Mpanjaka 22:51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 Lasa mpanjakan’ny Israely tao Samaria i Ahazia+ zanak’i Ahaba, tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Josafata mpanjakan’ny Joda. Ary nanjaka roa taona teo amin’ny Israely izy.

  • 1 Mpanjaka 22:53
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 53 Mbola nanompo an’i Bala+ ihany izy sady niankohoka teo anatrehany. Nampahatezitra foana an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely+ koa izy, toy ny nataon-drainy.

  • 2 Mpanjaka 10:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Naniraka olona hitety ny Israely rehetra i Jeho taorian’izay, ka tonga daholo ny mpivavaka tamin’i Bala. Tsy nisy tsy tonga na iray aza. Niditra tao an-tranon’i* Bala+ izy ireo, ka feno hipoka ilay trano.

  • 2 Mpanjaka 23:4, 5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ary nomen’ny mpanjaka baiko i Hilkia+ mpisoronabe sy ny mpisorona hafa ary ny mpiandry varavarana, mba hamoaka avy tao amin’ny tempolin’i Jehovah ny fitaovana rehetra natao ho an’i Bala sy ho an’ny tsato-kazo masina*+ ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra. Dia nodoran’ny mpanjaka teny ivelan’i Jerosalema ireny, teny amin’ny tanimboly mikitohatohatr’i Kidrona, ary nentiny tany Betela+ ny lavenony. 5 Nesoriny tamin’ny asany àry ireo mpisoron’ny andriamani-kafa, izay notendren’ireo mpanjakan’ny Joda handoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny amin’ny toerana avo tao amin’ireo tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema. Nesoriny koa ireo nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an’i Bala, ho an’ny masoandro, ny volana, ireo antokon-kintana fijerena tononandro, ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara