-
Jeremia 40:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Raha mbola nisalasala teo i Jeremia hoe hiverina sa tsia, dia hoy i Nebozaradana: “Miverena any amin’i Gedalia+ zanak’i Ahikama,+ zanak’i Safana.+ Izy no notendren’ny mpanjakan’i Babylona hifehy an’ireo tanànan’i Joda. Ary mijanòna miaraka aminy, miaraka amin’ny vahoaka. Na mandehana any amin’izay tianao haleha.”
Dia nanome azy anjara sakafo sy fanomezana ilay lehiben’ny mpiambina, ary namela azy handeha. 6 Koa nankany amin’i Gedalia zanak’i Ahikama tany Mizpa+ i Jeremia, ka nijanona niaraka taminy, teo amin’ny vahoaka sisa tavela tao amin’ilay tany.
-