-
1 Mpanjaka 17:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Fa hoy i Elia taminy: “Omeo ahy ny zanakao.” Dia noraisiny avy teny an-tanan’ilay vehivavy ilay ankizy, ary nentiny niakatra tao amin’ilay efitra nipetrahany tany an-tampon-trano, ka nataony teo ambony fandrianany.+ 20 Dia niantso mafy an’i Jehovah izy hoe: “Ry Jehovah Andriamanitro ô,+ nahatonga loza tamin’ity mpitondratena nampiantrano ahy ity koa ve ianao ka nahafaty ny zanany?”
-