-
Genesisy 25:1-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Ary nanambady indray i Abrahama. Ketora no anaran’ilay vadiny. 2 Ireto avy no naterany tamin’i Abrahama, rehefa nandeha ny fotoana: Zimrana, Joksana, Medana, Midianina,+ Jisbaka, ary Soaha.+
3 Ary niteraka an’i Sheba sy Dedana i Joksana.
Ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy Letosima ary Leomima.
4 Ny zanakalahin’i Midianina dia i Efaha, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha.
Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketora.
-