-
1 Tantara 29:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia nanao an’izay fara heriko aho mba hanomanana an’izay ilaina ho an’ny tranon’Andriamanitro, ka nanome volamena ho an’izay zavatra ilana volamena, volafotsy ho an’izay ilana volafotsy, varahina ho an’izay ilana varahina, vy ho an’izay ilana vy,+ hazo+ ho an’izay ampiasana hazo, vato oniksa, vato voatefy araikitra amin’ny rihitra, vato madinika samihafa loko, vatosoa isan-karazany, ary vatosanga be dia be. 3 Tiako koa ny tranon’Andriamanitro,+ ka hanome volamena sy volafotsy avy amin’ny harenako+ ho an’ny tranon’Andriamanitro aho, ankoatra izay rehetra efa nomaniko ho an’ilay trano masina. 4 Anisan’izany ny volamena 3 000 talenta* avy any Ofira+ sy ny volafotsy efa voadio 7 000 talenta, mba handrakofana ny rindrin’ireo efitra,
-