-
Jeremia 26:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Naminany i Mika+ avy any Moreseta tamin’ny andron’i Hezekia+ mpanjakan’ny Joda, ka nilaza tamin’ny vahoakan’ny Joda rehetra hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika:
“Hasaina hoatran’ny saha i Ziona,
Ho lasa korontam-bato mivangongo i Jerosalema,+
Ary ny tendrombohitra misy an’ilay Trano* dia ho toy ny toerana avo any an’ala.”’*+
19 “Namono an’i Mika ve i Hezekia mpanjakan’ny Joda sy ny Joda rehetra tamin’izay? Tsy natahotra an’i Jehovah ve i Hezekia ary nitalaho famindram-po tamin’i* Jehovah, ka niova hevitra* i Jehovah dia tsy nampihariny indray ilay loza efa nolazainy hamelezana azy ireo?+ Koa tena mitady loza* mihitsy isika.
-