-
2 Mpanjaka 21:2-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah i Manase, ka nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena+ efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny vahoakan’Israely.+ 3 Naoriny indray ireo toerana avo efa noravan’i+ Hezekia rainy. Nanangana alitara ho an’i Bala sy nanao tsato-kazo masina*+ koa izy, hoatran’ny nataon’i Ahaba mpanjakan’ny Israely.+ Dia niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy, ka nanompo an’ireny.+ 4 Nanorina alitara tao an-tranon’i Jehovah+ koa izy. Io trano io anefa ilay efa notenenin’i Jehovah hoe: “Ao Jerosalema no hametrahako ny anarako.”+ 5 Dia nanorina alitara ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra+ izy, teo amin’ny tokotany roa amin’ny tranon’i Jehovah.+ 6 Ary nandoro ny zanany lahy tao anaty afo izy. Nampiasa herin’ny maizina sy nitady fambara+ koa izy, ary nanendry mpamoha angatra sy mpilaza ny hoavy.+ Nanao zava-dratsy be dia be teo imason’i Jehovah izy mba hampahatezitra azy.
-