-
Deoteronomia 4:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ary rehefa mitraka mijery ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, izany hoe izay rehetra eny amin’ny lanitra, dia tandremo sao miankohoka eo anatrehan’ireny sy manompo azy+ satria hoe manintona anao ireny. Nomen’i Jehovah Andriamanitrao ho an’ny firenena rehetra eny ambanin’ny lanitra manontolo mantsy ireny.
-
-
2 Mpanjaka 23:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nesoriny tamin’ny asany àry ireo mpisoron’ny andriamani-kafa, izay notendren’ireo mpanjakan’ny Joda handoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny amin’ny toerana avo tao amin’ireo tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema. Nesoriny koa ireo nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an’i Bala, ho an’ny masoandro, ny volana, ireo antokon-kintana fijerena tononandro, ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.+
-