-
2 Mpanjaka 21:19-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Lasa mpanjaka i Amona+ tamin’izy 22 taona, ary nanjaka roa taona tao Jerosalema+ izy. Mesolemeta no anaran-dreniny, ary zanak’i Haroza avy any Jotba izy io. 20 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana i Amona, toy ny nataon’i Manase rainy.+ 21 Nanao hoatran’izay rehetra nataon-drainy foana izy, sady nanompo an’ireo sampy maharikoriko notompoin-drainy, ary niankohoka teo anatrehan’ireny.+ 22 Niala tamin’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny àry izy, sady tsy nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah.+ 23 Tatỳ aoriana, dia niray tetika hamely an’i Amona Mpanjaka ny mpanompony, ka namono azy ho faty tao an-tranony ihany. 24 Novonoin’ny vahoaka anefa izay rehetra niray tetika hamono an’i Amona Mpanjaka, ary i Josia zanany no nataon’izy ireo mpanjaka nandimby azy.+
-