-
1 Mpanjaka 13:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia nanameloka an’ilay alitara ilay lehilahin’Andriamanitra, araka ny tenin’i Jehovah, ka niantsoantso hoe: “Ry alitara ô, ry alitara ô! Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hisy zazalahy ho teraka avy amin’ny taranak’i Davida. Josia+ no anarany. Hataony sorona eo amboninao ireo mpisoron’ny toerana avo, izay nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teo amboninao. Ary handoro taolan’olona eo amboninao izy.’”+
-
-
2 Mpanjaka 23:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia nitodika i Josia ka nahita an’ireo fasana teny an-tendrombohitra. Nasainy nalaina àry ny taolam-paty tao amin’izy ireny, ka nodorany teo ambonin’ilay alitara, mba tsy ho mendrika hampiasaina amin’ny fivavahana intsony ilay alitara. Dia tanteraka ny tenin’i Jehovah nambaran’ilay lehilahin’Andriamanitra, izay nilaza mialoha fa hitranga izany.+
-