-
2 Mpanjaka 22:11-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Vao naheno an’izay voalaza tao amin’ilay boky misy ny Lalàna ny mpanjaka, dia norovitiny ny akanjony.+ 12 Dia nomen’ny mpanjaka an’izao baiko izao i Hilkia mpisorona, Ahikama+ zanak’i Safana, Akbora zanak’i Mikaia, Safana mpitan-tsoratra, ary Asaia mpanompon’ny mpanjaka: 13 “Mandehana misolo tena ahy sy ny vahoaka ary ny Joda rehetra, ka anontanio i Jehovah momba an’ireo teny ao amin’io boky vao hita io. Fa tezitra be i Jehovah,+ satria tsy nankatò ny teny voalaza ao amin’io boky io ny razambentsika. Tsy narahin’izy ireo izay rehetra voasoratra momba antsika.”
-