-
1 Mpanjaka 7:48-50Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
48 Nataon’i Solomona ny fitaovana rehetra ho an’ny tranon’i Jehovah: Ny alitara+ volamena; ny latabatra+ volamena fametrahana ny mofo aseho; 49 ny fitoeran-jiro+ volamena tsy misy fangarony, dimy teo ankavanana ary dimy teo ankavia, teo anoloan’ny efitra anatiny indrindra; ny felam-boninkazo tamin’ny fitoeran-jiro,+ ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro,* izay samy volamena;+ 50 ny kovetabe, ny famonoan-jiro,+ ny vilia baolina, ny kaopy,+ ny fitondrana afo,+ izay samy volamena tsy misy fangarony; ary ny savily ho an’ny varavaran’ny trano anatiny,+ izany hoe ny Masina Indrindra, sy ho an’ny varavaran’ny tempoly,+ izay samy volamena.
-