-
Salamo 74:4-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Nierona tao amin’ny toerana fihaonana aminao ny fahavalonao.+
Natsangan’izy ireo tao ny saina keliny, mba ho famantarana.
5 Toy ny olona manainga famaky hikapa ala mikitroka izy ireo.
6 Nopotipotehiny tamin’ny famaky sy bara vy daholo ny asa sokitra+ tao.
7 Nodoran’izy ireo ny toeranao masina,+
Nozimbazimbainy ny tranolay mitondra ny anaranao ka natsipiny tamin’ny tany.
-