-
1 Mpanjaka 8:41-43Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
41 “Raha misy koa vahiny tsy anisan’ny Israely vahoakanao, nefa tonga avy any an-tany lavitra noho ny amin’ny anaranao,*+ 42 —satria handre momba ny anaranao be voninahitra+ sy ny tananao matanjaka ary ny sandrinao mahery izy ireo—ka tonga mivavaka manandrify an’ity trano ity izy, 43 dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao+ any, ka hanao an’izay rehetra angatahin’ilay vahiny aminao! Amin’izay dia ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao, ka hatahotra anao+ hoatran’ny Israely vahoakanao izy ireo, ary ho fantany fa efa nantsoina teto amin’ity trano naoriko ity ny anaranao.
-