-
1 Mpanjaka 10:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Nohafarana avy tany Ejipta ny soavalin’i Solomona, ka ny mpandraharahan’ny mpanjaka no nasaina nividy andian-tsoavaly* araka izay vidiny.+ 29 Ary volafotsy 600 sekely ny vidin’ny kalesy tsirairay nohafarana avy tany Ejipta, ary 150 ny vidin’ny soavaly iray. Dia avy eo naondran’ny mpandraharahan’ny mpanjaka nankany amin’ny mpanjaka rehetran’ny Hetita+ sy ireo mpanjakan’i Syria ireny.
-