-
1 Mpanjaka 9:20-23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Ary mbola nisy sisa tavela ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izay samy tsy anisan’ny vahoakan’Israely.+ 21 Mbola tavela teo amin’ilay tany ny taranak’izy ireny fa tsy vitan’ny Israelita ny nandringana azy, ka nampanaovin’i Solomona asa an-terivozona hatramin’izao.+ 22 Ny Israelita kosa tsy nisy nataon’i Solomona andevo,+ fa izy ireo no miaramilany, mpanompony, andrianany, manamboninahitra lefitra, lehiben’ny mpitondra kalesiny, ary lehiben’ny mpitaingin-tsoavaliny. 23 Nisy 550 lahy ny mpiadidy an’ireo lehibem-paritra, izay niandraikitra ny asan’i Solomona. Mpanara-maso an’ireo olona nanao an’ilay asa izy ireo.+
-