-
1 Tantara 22:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Dia hoy i Davida: “Eto no hasiana ny tranon’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ary eto no hasiana alitara hanoloran’ny Israely fanatitra dorana.”+
-
-
2 Tantara 15:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Vao henon’i Asa izany teny izany sy ny faminanian’i Odeda mpaminany, dia lasa be herim-po izy ka nesoriny ny sampy maharikoriko nanerana ny tanin’i Joda+ sy Benjamina. Nesoriny koa ny sampy tany amin’ireo tanàna nobaboiny tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Dia naveriny tamin’ny laoniny ilay alitaran’i Jehovah teo anoloan’ny tilikambo fidirana ao amin’ny tranon’i Jehovah.+ 9 Ary novoriny daholo ny Joda sy ny Benjamina ary ny vahiny niaraka tamin’izy ireo. Avy tamin’ny fokon’i Efraima sy Manase ary Simeona ireo vahiny ireo.+ Be dia be izy ireo no niala tamin’ny Israely ka niandany tamin’i Asa, rehefa hitany fa nanampy an’i Asa i Jehovah Andriamaniny.
-