-
1 Mpanjaka 10:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nanao ampinga lehibe 200 tamin’ny volamena misy fangarony i Solomona Mpanjaka,+ ka volamena milanja 600 sekely* no nandrakofany ny ampinga tsirairay.+ 17 Nanamboatra ampinga kely* 300 tamin’ny volamena misy fangarony koa izy, ka volamena milanja telo mina* no nandrakofany ny ampinga kely tsirairay. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny Trano Alan’i Libàna+ ireo.
-
-
1 Mpanjaka 14:25-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama Mpanjaka, dia niakatra hanafika an’i Jerosalema+ i Sisaka+ mpanjakan’i Ejipta. 26 Dia nalainy ireo zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka.+ Lasany daholo ny zava-drehetra, anisan’izany ny ampinga volamena rehetra nataon’i Solomona.+ 27 Nanao ampinga varahina àry i Rehoboama Mpanjaka ho solon’ireny. Nasainy niandraikitra an’ireny ny lehiben’ny mpiambina,* izay niambina ny fidirana mankao an-tranon’ny mpanjaka. 28 Isaky ny nankao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka, dia nentin’ny mpiambina ireo ampinga ireo, ary avy eo naveriny tao amin’ny efitra fiambenana.
-