FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 7:51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 Vitan’i Solomona Mpanjaka àry ny asa rehetra tsy maintsy nataony ho an’ny tranon’i Jehovah. Dia nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin’i Davida rainy.+ Ary nataony tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana hafa.+

  • 1 Mpanjaka 15:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Koa nalain’i Asa daholo ny volafotsy sy ny volamena sisa tamin’ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka, ka nampitondrainy an’ireo mpanompony. Avy eo, dia nirahin’i Asa Mpanjaka izy ireo ho any amin’i Beni-hadada, zanak’i Tabrimona zanak’i Heziona, mpanjakan’i Syria,+ izay nipetraka tao Damaskosy, mba hilaza hoe:

  • 2 Mpanjaka 18:14, 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Koa naniraka olona nankany amin’ny mpanjakan’i Asyria tany Lakisy i Hezekia mpanjakan’ny Joda, mba hilaza hoe: “Diso aho! Mandehana miverina fa aza mamely ahy, dia homeko anao izay rehetra takinao amiko.” Nasain’ny mpanjakan’i Asyria nandoa volafotsy 300 talenta* sy volamena 30 talenta àry i Hezekia mpanjakan’ny Joda. 15 Dia nomen’i Hezekia azy ny volafotsy rehetra tao an-tranon’i Jehovah, sy tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ny* mpanjaka.+

  • 2 Mpanjaka 24:12, 13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Nivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Babylona i Joiakina mpanjakan’ny Joda,+ niaraka tamin’ny reniny, ny mpanompony, ny andrianany, ary ny tandapany.+ Dia nalain’ny mpanjakan’i Babylona ho babo i Joiakina, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.+ 13 Dia navoakan’i Nebokadnezara daholo ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny* mpanjaka.+ Nopotipotehiny ny fitaovana volamena rehetra nataon’i Solomona mpanjakan’ny Israely tao amin’ny tempolin’i Jehovah.+ Izay efa nolazain’i Jehovah mihitsy no nitranga.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara