-
1 Mpanjaka 14:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana ny Joda,+ ka nampahatezitra azy mihoatra noho ny razambeny izy ireo noho ny fahotana vitany.+ 23 Nanao toerana avo ho an’ny tenany koa izy ireo, ary nanangana tsangambato masina sy tsato-kazo masina,*+ teny amin’ny havoana+ rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra.+
-
-
2 Mpanjaka 18:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Izy no nanala ny toerana avo+ sy namotipotika ny tsangambato masina ary nikapa ny tsato-kazo masina.*+ Nopotipotehiny koa ilay bibilava varahina nataon’i Mosesy.+ Mbola nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an’io bibilava io mantsy ny vahoakan’Israely hatramin’izany fotoana izany. Nantsoina hoe sampy bibilava varahina* ilay izy.
-