-
Deoteronomia 12:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Handresy firenena maro ianareo, ka tokony horavanareo tanteraka ny toerana rehetra anompoany ny andriamaniny,+ na eny amin’ny tendrombohitra avo izany, na eny amin’ny havoana, na eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra. 3 Arodano ny alitarany, potipoteho ny tsangambatony masina,+ dory ny tsato-kazony masina,* ary kapao ny sary sokitra ataony andriamanitra,+ ka foano tanteraka eo amin’ilay toerana ny anaran’ireny andriamaniny ireny.+
-
-
Jeremia 2:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 ‘Fa efa hatry ny ela no nopotipotehiko ny zioganao,+
Ary notapahiko izay namatotra anao.
Hoy anefa ianao: “Tsy hanompo anao aho.”
-
-
Hosea 4:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo no manao sorona,+
Ary eny amin’ny havoana no ataony midona-tsetroka ny sorona ataony,
Eo ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo stiraksa ary ny hazobe rehetra,+
Satria malomaloka tsara eny.
Izany no mahatonga ny zanakareo vavy hijangajanga,*
Sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady.
-