-
1 Mpanjaka 14:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana ny Joda,+ ka nampahatezitra azy mihoatra noho ny razambeny izy ireo noho ny fahotana vitany.+ 23 Nanao toerana avo ho an’ny tenany koa izy ireo, ary nanangana tsangambato masina sy tsato-kazo masina,*+ teny amin’ny havoana+ rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra.+
-
-
Ezekiela 6:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Koa tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah,+ rehefa miampatrampatra eny akaikin’ny sampiny maharikoriko ny fatiny, dia eny amin’ny manodidina ny alitarany,+ eny amin’ny havoana rehetra, eny an-tampon-tendrombohitra rehetra, eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra, ary eny ambanin’ny sampan’ny hazobe. Teny amin’ireny mantsy izy ireo no nanao fanatitra manitra mamerovero* mba hampitony ny sampiny maharikoriko rehetra.+
-