-
1 Mpanjaka 22:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tamin’ny taona fahatelo, dia nidina tany amin’ny mpanjakan’ny Israely+ i Josafata+ mpanjakan’ny Joda. 3 Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’ny mpanompony: “Mba fantatrareo moa fa antsika i Ramota-gileada?+ Isika anefa misalasala ny haka azy amin’ny mpanjakan’i Syria.” 4 Ary hoy izy tamin’i Josafata: “Hiaraka amiko hiady any Ramota-gileada ve ianao?” Dia namaly i Josafata hoe: “Hoatr’anao ihany aho! Ny vahoakako dia vahoakanao ihany, ary ny soavaliko dia soavalinao ihany.”+
-