-
2 Tantara 18:31, 32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Vao hitan’ireo lehiben’ny miaramila mpitondra kalesy i Josafata, dia hoy izy ireo tany an-tsainy: “Io mihitsy no mpanjakan’ny Israely.” Nivily àry izy ireo mba hiady taminy. Dia niantso vonjy+ i Josafata, ka nampian’i Jehovah. Dia tonga dia nataon’Andriamanitra niala teo aminy ireo. 32 Vao hitan’ireo lehiben’ny miaramila mpitondra kalesy fa tsy ny mpanjakan’ny Israely ilay izy, dia tsy nanaraka azy intsony izy ireo.
-