FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 11:13-16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Raha vao henon’i Atalia nirodorodo nihazakazaka ny vahoaka, dia nankany amin’izy ireo tany an-tranon’i Jehovah+ izy. 14 Dia hitan’i Atalia nitsangana teo akaikin’ny andry ny mpanjaka, araka ny fomba fanao.+ Niaraka tamin’ny mpanjaka teo koa ireo lehibe sy ny mpitsoka trompetra.+ Faly be ny vahoaka manontolo sady nitsoka trompetra. Dia norovitin’i Atalia ny akanjony, sady niantsoantso mafy izy hoe: “Fikomiana! Fikomiana!” 15 Nanome baiko an’ireo lehiben’ny zato+ voatendry hitari-tafika anefa i Joiada mpisorona hoe: “Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy. Ary raha misy manaraka azy, dia vonoy amin’ny sabatra!” Efa nilaza mantsy ilay mpisorona hoe: “Aza vonoina ao an-tranon’i Jehovah izy.” 16 Nosamborin’izy ireo àry i Atalia, dia novonoiny ho faty rehefa tonga teo amin’ny toerana fidiran’ny soavaly teo amin’ny tranon’ny* mpanjaka.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara