-
2 Mpanjaka 12:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Hoy i Joasy tamin’ny mpisorona: “Alaivo daholo ny vola rehetra ho an’ny fanatitra masina+ izay entina ao an-tranon’i Jehovah, izany hoe ny vola tsy maintsy aloan’ny tsirairay,+ sy ny vola omen’ny olona nanao voady, ary ny vola rehetra entin’ny tsirairay an-tsitrapo ao an-tranon’i Jehovah.+ 5 Ny mpisorona no haka an’ilay vola avy amin’ireo mpanao fanomezana,* dia hampiasa an’izany mba hanamboarana an’izay rehetra simba* amin’ilay trano.”+
-
-
2 Tantara 29:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Nosokafany ireo varavaran’ny tranon’i Jehovah dia namboariny ny simba tamin’ireo,+ tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona voalohany nanjakany.
-